
Hafana ny “Ambohimalaza Time Attack 1.0”, fifaninanana hazakazaka moto (grosses cylindrées), hotanterahina rahampitso alahady 29 novambra. Andrasan’ny rehetra, amin’io, ny fifanandrinan’ireo zandrikely kalaza amin’ny fitondrana motobe. Anisan’ireny i Anjo, 15 taona, sy i Harena, 19 taona. Ao anatin’ny sokajy “sportive” izy mirahalahy ireo izay zandriny indrindra mifaninana amin’ity “Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity. Tsiahivina fa hifampitady amin’izy ireo ihany koa i Karen, hany vehivavy tokana mandray anjara.
Ankoatra izay, hisy fiaraha-miasan’ny X’Inov mpikarakara ny hetsika amin’ny Polisy sy ny Zandarimariam-pirenena, eo amin’ny fanentanana ny olona hitandroana ny fifamoivoizana satria tanjona ny fiarovana ny ain’ny rehetra, na mpifaninana na mpijery. Efa voalamina sy mipetrapetraka tsara avokoa ny fandaharam-potoana rehetra. Hanomboka izany, amin’ny 6 ora maraina.
Amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 8 ora 15 mn ny andrana tsotra ho an’ny mpifaninana rehetra. Amin’ny 9 ora 15 mn ny fiaingan’ny motobe voalohany amin’ny fanatontosana ny dingana voalohany. Amin’ny 11 ora 15 mn ny dingana faharoa ary amin’ny 1 ora sy sasany ny famaranana.
Tsiahivina fa ferana ho 50 ny isan’ny motobe mifaninana amn’ity. Hozaraina ao anaty sokajy fito kosa izy ireo: ny “sportive”, ny “roadster”, ny “chopper”, ny “maxiscoot”, ny “trail”, ny “supermotard” ary ny “custom vintage”.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.