Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny kanto

Taratry ny kanto

Ladies – Karibotel-26 Analakely

Tovovavy efatra manana ny maha izy azy indray ny hanafana ny “Ladies live acoustique” etsy amin’ny Karibotel-26 Restaurant Bar Louange, anio zoma 27 novambra 2020 manomboka amin’ny 7ora hariva izany. Anisan’izany ry Brown, i Mihanta, i Moria Randrianantenaina ary i Mirindra Soam. Hanome fahazotoana eo am-pihinanana, amin’ny alalan’ireo hira maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany, izy ireo amin’izany.

Ranoe, Avelo-Nidor – Bel’air Mangarivotra Tsiroanomandidy

“Ndao hamaky boky hifanakalo kalo”. Io ny lohahevitra atolotry ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina, faritra Bongolava, rahampitso asabotsy 28 novambra 2020 izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Bel’air Mangarivotra Tsiroanomandidy. Hanasana mpanao zavakanto maro. Ao anatin’izany ny mpiangaly slam, hira, tononkalo. Anisan’ny handrindra izany Ranoe sy i Avelo-Nidor.

Ranty hip hop- Au Lieu Dit Ampandrianomby

Hisy fampirantiana zavatra maro mahakasika ny tontolon’ny hip hop etsy amin’ny Au Lieu Dit Ampandrianomby, rahampitso asabotsy 28 novambra 2020. Manomboka amin’ny 11 ny fisokafana ary arahina « live » ny tolakandro manomboka amin’ny 1 ora. Maro ny seho ho hita eny toy ny “vente expo”, ny “graffiti”, ny “partage” sy ny vazo iarahana amin-dry Abdo-bra, ry Geoscar, ry Septic, ry Tempoly, ry Ent, ry Miss Shanitah, ry Rtsilahy, ry Vercors.

“Mozika tsotra izao”- Novotel Ivandry

Mpankanto manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy no haneho ny talentany amin’ny alalan’ilay lohahevitra “Mozika tsotra izao”. Hihira ny sanganasan’i Fanja Andriamanantena izy ireo. Hotanterahina etsy amin’ny Novotel Ivandry izany, ny alahady 29 novambra 2020 manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Mpanakanto maro ny handrafitra izany, raha tsy hilaza afa-tsy ry Farakely, i Silo, i Nate Tex, i Tsanta…

Nangonin’i Narilala

 

  

 

Les commentaires sont fermées.