Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taksiborosy: tsy maintsy ampiasaina ny kahiebe “manifold”

Nisy nanafika ny taksiborosy avy any Antsohihy nankaty Antananarivo, ny talata 17 novambra teo, teny amin’ny lalam-pirenena RN 4, tsy lavitra an’i Maevatanàna. Iray amin’ireo mpandeha ihany ny anisan’ny tompon’antoka amin’ireo mpanafika, niala kilometra maromaro taloha kelin’ny nisian’ny fanafihana. Rehefa natao ny fanamarinana, tsy nanara-dalàna, tsy nanaja ny fampiasana ny kahiebe “manifold” ilay fiara mpitatitra. Tsy nisy fantatra, noho izany, ny mombamomba ireo mpandeha nentiny, tokony ho namantarana ireo olon-dratsy.

Manoloana izany, nanapa-kevitra ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) fa tsy maintsy manana sy mampiasa ary mameno amin’ny antsipiriany ny kahiebe (manifold) ny fiara taksiborosy rehetra.

Araka ny naoty laharana 13 navoakan’ny ATT, ny volana marsa 2020, mitarika fanasaziana henjana, ho an’ny fiara sy ny mpamily ary indrindra ny kaoperativa iasany, ny tsy famenoana araka ny tokony ho izy ny kahiebe (manifold).

Mila manana karne manambara ny maha salama tsara, nosoniavin’ny dokotera avy amin’ny tobim-pahasalamana CSB 2, kosa, ny mpandeha nanao famandrihana mialoha ka raisina eny antenantenan-dalana.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.