Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra: hatao any Mahajanga ny fiofanana “licence C Caf”

 

 

Hitohy any amin’ny faritra Boeny indray ny fiofanana “licence C Caf”, ho an’ny mpanazatra baolina kitra, ho an’ity taona 2020 efa madiva hifarana ity. Hanomboka ny 30 novambra ka hatramin’ny 16 desambra izany. Ferana ho 30 ihany ny isan’ireo mpandray anjara, amin’ity andiany ity.

Hizara efatra ny lohahevitra hianarana sy hampitaina amin’ireo mpiofana: ny “theorie du football” sy ny fanazarantena, eo koa ny fitsipiky ny lalao ary ny mahakasika ny fitsaboana ara-panatanjahantena. Mandritra ny 120 ora ny hiofanana amin’ireo ka arahina fampiharana hatrany ny lohahevitra tsirairay. Hisy ny fanadinana any amin’ny fiafaran’ny fiofanana ka alefa any amin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) avy eo ny taratasim-panadinan’ny mpiofana tsirairay ka izy ireo no manambara izay olona nahazo ny naoty, hahazoana ny mari-pahaizana ho mpanazatra “licence C Caf”. Hizarana taratasy fanamarinana fandraisana anjara tamin’ny fiofanana kosa anefa ny mpandray tsirairay, amin’ny fiafaran’ny fotoana. Marihina fa hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra mandritra ny fiofanana.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.