Faritra morontsiraka matanjaka toekarena amina sehatra maro ny any Sava (Sambava – Vohémar – Antalaha) hatramin’izay, manana ny mampiavaka azy, indrindra amin’ny lavanila. Betsaka, noho izany, ireo singa iankinan’ny fampandrosoana. Tsy ampy na mila fanavaozana sy fanitarana any an-toerana. Koa manao izay manandrify azy ny BNI, nametraka masoivoho faha-2 any Sambava, ny 19 novambra teo.
Nosokafana io masoivoho faharoa ao Sambava io ho fanampiana indrindra ny mpandraharaha sy ny orinasa, jerena araka izao vanim-potoana izao. Masoivoho napetraka manodidina ny fandraharahana samihafa, manamorona ny lalam-pirenena RN 5a any Vavasaha. Ifandraisan’ny BNI manakaiky kokoa amin’ny mponina ny toerana misy ankehitriny, antoka ahazoan’izy ireo raharaha ara-bola mifandraika amin’izay ataony. Hanampiana indrindra ireo mpandraharaha sy ny orinasa ao anatin’ny lalam-pihariana lavanila, mampiditra vola vahiny betsaka iny faritra iny. Manana ny tolotra rehetra ho azy ireo ny BNI.
R.Mathieu
Les commentaires sont fermées.