Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

TSA-Fifaninanana sary sokake: hifidy ny besinimaro

Nifarana ny 19 novambra teo ny dingana voalohany amin’ny fifaninanana mamoaka sary sokatra karazany sokake (Astrochelys radiate) fahita any atsimon’ny Nosy, natomboka ny 19 oktobra 2020. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny fikambanana miaro ny sokatra, Turtle Survival Alliance (TSA) eto Madagasikara ny hetsika. Niisa 88 ny nandray anjara ary nofantenina tamin’izao dingana voalohany izao ny 30 voalohany, nahafeno ny fepetra notakina amin’ny fifaninanana. Anisan’izany ny fandefasana sary sokatra anankiroa (anoloana sy aoriana).

Hizara sokajy roa ireo 30 voafantina ireo ka hifidy ny mendrika indrindra ny besinimaro, amin’ny alalan’ny pejy fesiboky Turtle Survival Alliance Madagasikara amin’ireo sary miisa 30. Loka ho an’ny voalohany ny fandehanan’ny olona roa mivahiny any amin’ny Berenty Lodge sady mitsidika ny valanjavaboary Andohaela any Taolagnaro. Fivahiniana any amin’ny Grace Lodge sy Ricololdge any Andasibe, mandritra ny telo andro kosa ho an’ny faharoa hatramin’ny fahafolo, hitsidika ny valanjavaboary Maromizaha, Mitsinjo ary Analamazaotra. Hahazo loka tsy ampoizina ny faha-11 hatramin’ny faha-30.

Manohana ity fifaninanana ity ny C-Class, ny masoivoho Soisa, Kaomoro, Seychelles, ny Berenty Lodge, Grace Lodge, Ricolodge, miaraka amin’ny minisitera MEDD, ny FAPBM, ny ONTM, ny MNP, sns.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.