Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Spat Toamasina: hitohy ny asa fanitarana ny seranan-tsambo

Nanomboka ny jolay 2018 ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, tohanan’ny Fiaraha-miasa japoney (Jica). Hitohy amin’ny desambra 2020 ny asa rehetra, niato, noho ny Covid -19.

Notokanan’ny filoha Rajoelina, ny 17 novambra teo, ny ivontoerana fiofanana mikasika ny sambo, Port Academy Center Toamasina (Pact), eo ambany fiahian’ny orinasa mitantana ny  seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Foibe natao hianarana teny vahiny sy mikasika ny fitantanana ny seranan-tsambo sy ny sambo ary ny tantsambo.

Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny seranan’i Toamasina ny fananganana ny foibe Pact. Nilaza ny tale jeneralin’ny Spat, i Avellin Christian Eddy, fa maro ny asa atao amin’izany. Eo ny asa goavana ataon’ny Fiaraha-miasa japoney ho an’ny fampandrosoana (Jica), mitentina 411 tapitrisa dolara. Eo koa ny fanitarana ny toerana hitahirizana ny entana (simenitra, vary),  …. Misy koa ny fandalinana ny halalin’ny ranomasina sy fiarovana ny onja, ny  fanitarana ny fotodrafitrasa fandraisana ny sambo vaventy sy ny mpizahatany. Misy amin’ny asa atao ny tetibolan’ny Spat madiodio, toy ny fiantsonan’ny sambo madinika mankany avaratr’i  Toamasina, ny fanamboarana toerana malalaka hametrahana kaontenera, mirefy 5 ha, sns.

Nanamarika ny masoivohon’i Japana, SEM Higushi Yoshihiro, fa hiverina hitohy ny asa rehetra, manomboka amin’ny volana desambra ho avy izao, taorian’ny fihibohana vokatry ny tranga Covid-19.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.