Maty voatifitra, ny alahady maraina teo, ny dahalo mpamatsy odigasy an’i Del kely. Nahazo loharanom-baovao ny zandary ao Tsaratanana mahakasika io dahalo io. Vokany, nidina tany Antanimbaribe ny zandary ka tratra tao an-tranony izy. Mbola hita tao aminy avokoa ny odigasy maro sy mohara. Taorian’ny fanadihadiana azy, nanondro ireo namany izy. Raikitra ny fitadiavana ireo dahalo voatonona ka raha vao hiditra ny tanànan’i Nanivia, nilaza hijery ny fanafenany basy tany amin’ny kizon-dalana i Del Kely. Nanararaotra nitsoaka anefa izy. Raikitra ny fanenjehana, nisy ny fampitandremana nataon’ny zandary hampijanonana ireo dahalo, saingy tsy nijanona izy ireo. Vokany, nitifitra ireo zandary ka maty ilay mpamatsy ody gasy an’i Del kely.
Henintsoa Hani
Les commentaires sont fermées.