Nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana tamin’ny vesatra niampangana azy, ireo andian-jiolahy voasaringotra tao anatin’ny raharaha fakana an-kerinysy ny fitazoamana basy tsy ara-dalana, ny taona 2018. Naharitra ora maro ny fihainoana ireo voampanga efa-dahy . Tsy tonga nanatrika izany kosa ny telo lahy tamin’izy fito ireo. Meloka anefa izy ireo noho ny vono sy fandratrana an-tsitrapo nataony. Vokany, voasazy an-tranomaizina telo volana avokoa izy ireo ary mbola namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ihany koa.
Re nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha fa voasazy an-tranomaizina herintaona teny Tsiafahy Ragodogodona, noho ny fampiasana ny karatra maha mpanao gazety. Efa voaefa anefa ilay sazy, hoy hatrany ny didy nivoaka. « Nolavin’ny fitsarana ihany koa ny fangatahana onitra nataon’ny CFOIM na ny vondron’ny frantsay teratany indianina eto Madagasikara », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.
Henintsoa Hani
Les commentaires sont fermées.