Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hampiakarina ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety

Nitohy ary niverina nanomboka, omaly, ny fampivondronana faharoa amin’ny fampiofanana ho matihanina ireo mpanao gazety 40 mianadahy. Tafiditra amin’ny fandaharanasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) ny fanampiana tosika ny mpanao gazety manerana ny Nosy amin’ny alalan’io fampiofanana io. Tanjona ny hanamafy orina sy hampiakatra ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety rehetra. Mifantoka amin’ny teknikan’ny asa fanaovan-gazety, ny fitrandrahana sy ny fikaroham-baovao ary ny etika sy ny deontolojian’ny asa izao fampivondronana faharoa izao. Hahazo tombony koa ireo mpanao gazety mandray anjara amin’ny fiofanana, amin’ny fampahafantarana azy ireo ny lohahevitra mifandraika amin’ny raharaham-pitsarana. Eo koa ny fikirakirana ny vaovao momba ny ankizy sy ireo lohahevitra hafa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana.

Mpanao gazety manana ny maha izy azy

Mizara roa ireto mpiofana ireto. Ny andiany voalohany, hahazo ny “Certificat d’aptitude aux métier du journaliste” ary ny andiany faharoa kosa,  hahazo ny ” Certificat spécialisé en Journalisme”. Haharitra enim-bolana ny andininy voalohany ary 10 volana ny andininy faharoa amin’ny fiofanana. « Vonona hatrany ny minisitera hanampy tosika ireo mpanao gazety rehetra hanana ny maha izy azy amin’ity sehatrasa ity”, hoy ny minisitra Lalatiana Andriantongarivo, nanokatra izany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.