Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasan’ny MATP sy ny CUA: miomana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano ny eto Antananarivo

Efa maka bahana sy miomana. Nanatanteraka atrikasa tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely ho amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra na ny fiakaran’ny rano ireo tompon’andraikitra samihafa. Tanjon’izany, ny  “Tanàna madio lavitry ny aretina lavitry ny tondra-drano”. Laharam-pahamena ho an’ny fanjakana sy ny CUA ny famahana ny olan’ny fitantanana rano an-tanàn- dehibe, tafiditra indrindra ao anatin’ny PIAA. Misy ny famatsiam-bola avy amin’ny masoivoho frantsay sy ny Vondroana eoropeana (UE), atokana ho an’ny fanadiovana na PIAA. Eo koa ny fandaharanasa amin’ny lakan-drano amin’ny ranonorana, ny fanadiovana ny rano maloto sy ny fako. Nampahafantarina tamin’izany ny lafiny teknika “Schéma directeur d’assainissement” mamaritra ny fomba hitantanana ny fanadiovana amin’ny resaka orana sy ny rano maloto ka anisan’ny mpisehatra amin’izany ny BRL, nyArtelia, ny DGATE, ny Apipa, ny Samva, ny CUA, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany (MATP) sy ny minisiteran’ny Rano (MEAH).

Fiaraha-mientana

Nambaran’ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina fa laharam-pahamehana ny fanadiovana, anisan’izany ny Himo hisorohana ny fiakaran’ny rano. Eo koa ny eny amin’ny tanàna ambony, matetika tsy voajery nefa manana olana lehibe eo amin’ny lakan-drano fivoahan’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany. “Mila miara-mientana isika  amin’ny fanadiovana mba hipaka eny ifotony ny ezaka atao. Zava-dehibe ny fandraisan’ny rehetra an-tanana ny fiarovana sy ny fanajana ny soa iombonana ka hitondra vokatsoa aingana ary azo tsapain-tanana izao asa izao”, hoy izy.  Efa tokony hotantanin’ny CUA koa ny Samva ary handray fepetra vonjimaika amin’ny fanampiana azy ireo ny kaominina.

Efa mandeha ny asa fanadiovana, tafiditra ao anatin’ny PIAA. Anisan’izany ny etsy Besarety sy ny eny Mahavoky ary Andravoahangy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.