Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampandrosoana maharitra: hanorenana indostria goavana ny any Atsimo Andrefana

Anatin’ny tetikasan’ny  minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny asa tanana ny hanorenana indostria goavana manodina ny vokatry ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono         any amin’ny kaominina iray, faritra Atsimo Andrefana. Famatsiam-bola avy amin’ny Bad ny hahafahana mametraka indostria lehibe, toy ny efa misy any Afrika. Miankina amin’ny vokatry ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono ny hahodina amin’izany indostria goavana 25 ha izany. Hanangonam-bokatra samihafa ireo kaominina hafa manodidina, hisy io tetikasa io.

Nasian’ny minisitra, Rakotomalala Lantosoa, teny manokana ny trondron-dranomasina eto amin’ny faritra misy antsika. Tsy manana fanodinam-bokatra ho an’izany vokatra an-dranomasina izany ny Nosy Madagasikara, tsy hita ho an’ny tsena anatiny sy ny haondrana any ivelany hatramin’izao, koa ezahina ny hampisy izany. Tena fantatra fa hanaovana fanodinam-bokatra ny voamaina, ny katsaka, ny mangahazo, sns. Hampisy toeram-ponenana vaovao, miampy famokarana herinaratra; arahina sekoly, fivarotana, fitsaboana sy sampandraharaha hafa, fanjakana na tsy miankina.

Ny 1 hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, hisy fihaonambem-paritra any Atsimo Andrefana hijerena ny sehatra rehetra hampandrosoana ny faritra. Minisitera maro no handray anjara amin’izany fihaonambe momba ny fandraharahana izany, satria mifampiankina ny rehetra hisian’ny fampandrosoana. “Hatomboka any Atsimo Andrefana izany, mbola hotohizana any amin’ny faritra hafa, hisian’ny miralenta”, hoy ihany ny minisitra.

 

R.Mathieu

 

 

 

Les commentaires sont fermées.