Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Afro beat sy reggae: miroso hatrany i Jha’s

Afro beat sy reggae: miroso hatrany i Jha’s

Telo taona nilonana tao anaty mozika mafana i Jha’s. Tena ilonany sy ifotorany ankehitriny ny afro beat sy ny reggae. Amytach ny tena anarany fa nasalotra azy fahazaza kosa ny Jha’s ka notazoniny. Azo lazaina ho famaliana babena ny ray aman-dreny ny azy ny fanaovana mozika. “Anisan’ny fanirian’ny mamako, ny hahatonga ahy ho mpanao mozika ka izao tanteraka izao izany”, hoy izy. Efa maro ny sanganasan’i Jha’s ka anisan’izany ny «Tsy kivy», izay rindran-tsary novokarina sy notontosain’i Sylvanno Ratsimandresy. Miparitaka any anaty «You tube» sy ireo tambajotran-tserasera maro izany. Toy ireo mpanakanto rehetra, manana tanjona ny halaza izy. Anisan’ny fanambiny ny ho reharehan’ny zanak’i Nosy be, tanàna nipoirany. Mampiavaka azy ny fandrafetana tononkira manakaiky kokoa ny tanora ary mitarika azy ireo hanana fanantenana amin’ny fiainana. Misokatra amin’ny olon-drehetra i Jha’s, amin’ny fiaraha-miasa. “Tsy mila kivy isika rehetra na mafy aza ny fiainana”, hoy izy. Ho an’izay mitady ho kivy, henoy ilay hirany «Tsy kivy» fa mampisy fanantenana amin’ny fiainana izany, araka ny nambarany. “Mipetraka hatrany ny maha fialamboly ny mozika. Saingy fotoana izao hidirana tanteraka eo amin’ny sehatry ny mahamatihanina eo amin’ity zavakanto iray ity”, hoy i Jha’s.

Narilala

Les commentaires sont fermées.