Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tohana Voly vary: ho fanarenana hatrany

Tohana Voly vary: ho fanarenana hatrany

Hafainganina ny fanarenana! Mitodika koa any amin’ny foto-tsakafon’ny Malagasy ny fitondrana noho ny fikorontanana sy ny fangejana isan-tsehatra afitsoky ny Covid-19. Ny ao amin’ny Fitantanam-paritry ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jonon’Alaotra-Mangoro (Dredd) no nampahafantatra, ny 19 novambra teo, fa misy fampisamboram-bola amin’ny zana-bola ambany dia ambany (1%) amin’ny tantsaha, mpamoka-bary, te hanitatra na hanatsara ny famboleny. Miara-miasa amin’ny fanjakana amin’izany ny banky BOA. Azon’ny mpamboly atao koa ny manao fangatahana mitokana, na koa mitambatra amin’ny mpiray tambajotra, ohatra. Ampandalovina any amin’ny kaominina ny fangatahana an-tsoratra, na koa any amin’ny birao mitantana ny tambajotran’ny tantsaha.

“Tohana” anarenana ny fahabangana nateraky ny aretin-dratsy Covid-19 hatrany izao ifotoran’ny fitondrana izao. Antenaina fa hisy fanohanana ny fambolem-bary ho an’ny tantsaha, toy izao, any amin’ireo toerana mpamoka-bary lehibe hafa eto amin’ny Nosy.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.