Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Semipi: tsara ny voka-panadinana bakalorea

« Mahatsiaro ny tanàna nahabe ». Io ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, raha nitsidika ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ny alahady 22 novambra 2020 tany Fianarantsoa. Nijery ny fanavaozana ny fotodrafitrasa entina manatsara ny andavanandron’ny mpianatra ao amin’ny sekoly ny MDN. Nambarany fa nahafapo ny vokatra azon’ny sekoly tamin’ny fanadinana bakalorea farany teo ka nisaotra manokana ny kaomandin’ny sekoly, ny Kly Rafidison, izy. Niarahaba manokana ireo afa-panadinana koa ny izy sady nankahery ireo mpianatra hitozo hatrany ny fianarana. Nandritra ny fandalovany tany an-toerana, nisy ny fihaonany amin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao Matsiatra Ambony sy ireo OMC. Nanatrika ny fivoriana koa ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Raharinirina Baomihavotse Vahinala, sy ny masoivohon’ny firenena Soisa eto Madagasikara, i Chasper Sarott. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny lafiny tsy fahampian-drano noho ny fiovaovan’ny tontolo iainana sy ny fisian’ny doro tanety. Ankoatra izany, nihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana noho ny ezaka nataon’ireo miaramila mampandry tany ka nahafanana nanangona basy tsy ara-dalàna, indrindra ny tao amin’ny distrikan’Isandra, araka ny nambaran’ny MDN.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.