Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MJS-Inscae: hiara-hiasa hampandroso ny tanora sy ny fanatanjahantena

MJS-Inscae: hiara-hiasa hampandroso ny tanora sy ny fanatanjahantena

Fantatra izao fa hisy fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ankilany, ary ny Inscae, andaniny, hanohana ireo hetsika fanatanjahantena sy kolontsaina, indrindra ho an’ny haiady judo. Nandritra ny fihaonan’ireo vondron’ny mpianatra anivon’ny Judo in school, avy amin’ny CEG fito eto an-drenivohitr’i Toamasina sy ny manodidina, notarihin’ny sensei Bardy Jean-Loup sy ireo mpanazatra maro, ny 14 novambra lasa teo tetsy amin’ny kianja mitafon’ny CRJS, ny niantombohan’ny fiaraha-miasa. Tsy ny lafiny fanatanjahantena ihany no hifanohanan’ireto tanora mpanao haiady ireto raha ny fanazavana nentin’ny maitre Bardy Jean-Loup, fa hisy ihany koa ny hetsika amin’ny fampiroboroboana sy ny fandraisana anjara amin’ny tontolo iainana sy ny fambolen-kazo fihinamboa mifandraika amin’ny ady atao hampanjariana sakafo ho an’ny rehetra eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny fametrahana ho tanàna na renivohitra filamatra an’i Toamasina amin’ny fampiroboroboana ny tsy fampiasana lelavola fa hirosoana amin’ny tolotra vaovao “E- ariary” izay novokarin’ny Inscae. “Ampahafantaro ny minisitera ny tetikasanareo fa izay mifantoka amin’ny fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahantena, tohanan’ny minisitera avokoa”, hoy Rtoa Ratovoson Juliana, tale jeneralin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena raha nitafa tamin’ireo tanora maro.

Sajo

Les commentaires sont fermées.