Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Izay tsy mandroso, mihemotra… 

Izay tsy mandroso, mihemotra… 

 Mitohy hatrany ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19; eny, na toa somary mangingina ratsy aza izany na tsy mampiraika intsony ny maro. Misy hatrany, ohatra, ny tranga vaovao amin’ny fitondrana tsimokaretina Coronavirus, ny mamoy ny ainy, ny marary ao anatin’ny fahasarotana. Misy ihany koa ny marary sitrana ary tsy mamindra intsony.

Efa samy difotry ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ny maro amin’izao. Eo, ohatra, ny fidangan’ny vidin’entana ilaina andavanandro, indrindra ny vary. Miara-dalana amin’izany ny fanahiana ny taom-pamokarana ny taona ho avy fa manahirana be ihany ny amin’ny fiavian’ny orana. Na ny fiatrehana ny maitsoahitra aza, sarotra sy mafy. Ho maitso ve ny ahitra raha tsy misy orana?

Manampy trotraka izany rehetra izany, tsy maintsy atrehina ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any atsimo. Himasoana sy hotanterahina amin’izay ny tena vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… Raharaha be koa ny amin’ny firongatry ny fanolanana sy ny fanaovana herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, izay fahalovana mikiky ny aim-pirenena.

Mbola tsy mahafa-bela koa ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny vahoaka amin’ny  faritra sasany, indrindra any amin’izay heverina ho lavitra fanjakana. Toa tsy misy afa-tsy olana na fahasahiranana no mavesa-danja, mibahan-toerana, talaky maso… Izany no mampiaka-peo ny mpanohitra sasany fa tsy misy inona mandeha eto na tsy misy inona hoe miova?

Tsy miala amin’ny olombelona ny fahasahiranana sy ny olana. Raha tsy izany, tsy fiainana. Izay efa mety na tsara, itadiavana sy iadiana ny tsaratsara kokoa hatrany. Lozan’izay tsy mahita sy tsy mijery afa-tsy ny lafiratsin-javatra? Mitsikera, manaratsy, manakivy, mankahala, manakorontana aza. Na hoe manolo-kevitra aza, mety mamitaka fa mitady sy miady izay ho azy.

Inona ny hatao? Misy ny mitady ho kivy nefa fomban’ny tsy afaka amin’izay kendreny sy ataony ny manakivy. Irosoana izay efa nanapa-kevitra, nifanarahana, natomboka. Ho hita eo tokoa… Na voa na mahavoa? Izay tsy mandroso, mihemotra.

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.