5% monja amin’ny mponina any ambanivohitra eto Madagasikara izao ny mahazo herinaratra mivantana na eo aza ireo loharanon’angovo azo havaozina toy masoandro, ny rivotra sy ny rano.
Orinasa telo eto Madagasikara nampian’ny governemanta amerikanina, amin’ny alàlan’ny USAID, sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana, sy ny tetikasa Power Africa. Mitentina 1,2 tapitrisa dolara ny tetikasa, hamokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro. Tanjona ny hahazoan’ny tokantrano mihoatra ny 400 000 any ambanivohitra herinaratra amin’ny taona 2022. Voakasik’izany ny faritra telo: Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, ary i Boeny.
Orinasa 17 ny nanao fangatahana, telo ireo nahazo izany taorian’ny safidy: ny Autarsys Madagascar, ny Hydro Ingenierie Etudes et Realizations (HIER) ary ny Henri Fraise Fils & Cie.
Tanjona ny 50 % hahazo herinaratra amin’ny 2023
Ny volana mey 2020 no natomboky ny Power Africa ny tetikasa fampiroboroboana ny tambajotra madinika eto Madagasikara. Tetikasa tantanan’ny Power Africa’s Southern Africa Energy Program (SAEP) manampy ireo nahazo alalana avy amin’ny Ader, saingy sahirana amin’ny fitadiavana famatsiam-bola; misy koa ireo mpandraharaha manana tetibola afaka manampy tokantrano vaovao hafa. Manohana ny tanjon’ny fanjakana ny tetikasa, hahatratra 50% amin’ny fahazoana herinaratra manerana ny Nosy amin’ny taona 2023.
Manampy amin’ny fanitarana ny fihariana
Rehefa mitombo ny fampiasana izany, afaka mampiasa fitaovana sy milina maoderina ny orinasa, toy ny paompy fitarihan-drano sy ny vata fampangatsiahana. Manampy amin’ny fanitarana ny fihariana ireo, sy famoronana asa vaovao hampandroso ny orinasa sy ny faritra. Manampy amin’ny fanamafisana ny fifandraisana varotra sy ny toekarena, sy ny fampiroboroboana ny fizakantena maharitra ny fahazoana herinaratra eto Madagasikara.
R.Mathieu
Les commentaires sont fermées.