
Edisiona nisafidy ny hisahana bebe kokoa momba ny boky natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny Editions Jeunes Malgache (EJM). Fantatra fa nanavao sy nanatevina ny paikady hoenti-manapariaka ny boky ho eny am-pelatanan’ny ankizy izy ireo. Manomboka izao, azon’ny ankizy henoina ao anaty site web www.editions-jeunes-malgaches ireo voarakitry ny boky avoakan’ity edisiona ity. Boky 22 no efa vonona ka azo henoina avy hatrany. « Kendrena ho amin’ny sarany sahaza ny fahefa-mividy ankehitrny ny fanaovana izany », raha ny fanazavan-dRazafintsalama Marie Michèle, mpitantana ny Presse Edition & Diffusion (Prediff).
Nankahery sy nandrisika ny ray aman-dreny ity editora ity mba hanentana ny zaza malagasy hamaky boky sy hanome azy ireo ny fomba ahavitany izany. « Hiezaka hatrany izahay, hampitombo ny fanapariahana ny boky manerana ny Nosy satria anisan’ny manampy amin’ny fananana voambolana eo amin’ny ankizy sy ny tanora ka hanamora ny fahaizany mifanerasera amin’ny mpiara-belona ny fahazoany izany », hoy hatrany Razafintsalama M. Michèle.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.