Tontosa tamin’iny herinandro iny ny atrikasa goavana mikasika ny “Ankizy ivelan’ny sekoly” natao tao Antsirabe nandritra ny telo andro. Niompana amin’ny fampahafantarana sy fifampizarana traikefa mahakasika ny eo amin’ireo mpisetraha amin’ny fanabeazana ny atrikasa. Niarahana tamin’ireo teknisianin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena , ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, ary ny ministeran’ny Toekarena sy ny tetibola tamin’ny alalan’ny Instat izany.
Tanjona ny hahafahana manofana ireo ekipa teknika nasionaly amin’ny fanangonana ireo raki-kevitra sy antontam-baovao, ary antontanisan’ny ankizy ivelan’ny sekoly eto Madagasikara nanomboka ny taona 2015. Mbola marobe ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoy noho ny antony maro. Eo ihany koa ny fiantraikan’ny valanaretina Covid19 nandritra ny tsy fahafahan’ny ankizy niditra an-tsekoly.
Antoky ny famolavolana ny paikady hahatrarana ny « Vinan’ny fampandrosoana lovainjafy » (ODD 4) sy ny politikan’ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny tsy fahafahan’ny ankizy mandeha an-tsekoly ny fanatanterahana izany.
Nanohana tamin’ny enti-manana rehetra ho fanatanterahana ny atrikasa ny Unesco, nandrindra ara-teknika kosa ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.