
Sambany teo amin’ny tantara. Hifamotoana eny amin’ny Park Sisaony, Ambatofotsy, ny zanaky ny kaominina Mandrosoa Andramasina, ny alahady 29 novambra izao.
Nambaran’ireo mpitantana sy mpikarakara izany fa tonga ny fotoana ary ampy izay fotoana maro sy lavabe izay. “Hifankahalala isika rehetra. Hifampihaino koa ny amin’ny tokony hampandrosoana ny tanindrazana iombonana ka hisy ny fakan-kevitra amin’izany hijerena vahaolana satria anisan’ireo kaominina tara raha mitaha amin’ny hafa ny ao an-toerana. Samy nanao teo avokoa ihany ireo nitantana rehetra, saingy voafetra ihany izany noho ny antony maro ka efa fotoany izao ”, hoy izy ireo. Nanterin’ireo mpitarika vonjimaika izao hetsika izao fa mba manana ny vato nasondrotry ny tany, misehatra amin’ny asa samihafa sy manana andraikitra ambony, ny ankamaroan’ny ao Mandrosoa ary mielipatrana hatrany ivelany rehetra any izany. “Antony hamondronana ny hery izany. Ny tsy mahay sobika, mahay fatram-bary”, hoy ihany izy ireo.
Olana sedrain’ny any an-toerana
Anisan’ny olana any an-toerana ny haratsian’ny lalana. Eo koa ny fahasahiranan’ny tantsaha eo amin’ny seha-pihariana: fambolena sy fiompiana ary asa tanana… lalam-bola sy lalam-barotra amin’izany. Ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, toy ny herinaratra…
Tsiahivina fa hifamindran-dalana amin’izany fihaonamben izany koa ny hetsika kolontsaina sy fialamboly amin’ny maha mpanan-talenta sy mpahay kanto ny zanaky ny ao Mandrosoa Andramasina. Hibahan-toerana kokoa izany ka hanentanana sy iantsoana ireo zanak’io kaominina io.
Randria
Les commentaires sont fermées.