Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Degmia – Oniversite Toamasina : manana sampam-piofanana roa vaovao

Degmia – Oniversite Toamasina : manana sampam-piofanana roa vaovao

Amin’ny ankapobeny, hafakely no ho izay efa fomba fifankahafantarana mahazatra ny fanohizana indray ny fampianarana an-dakilasy sy ampitain-davitra eo anivon’ny departemantan’ny fakiolten’ny Degmia, oniversiten’i Barikadimy – Toamasina , ny tapaky ny volana lasa teo. Nihaona ny mpampianatra sy ny mpianatra ary nitondra ny fandaharam-pianarana isaky ny taranja sahaniny ny profesora isanisany. Nohazavaina amin’ny antsipiriany ny lohahevitry ny taranja tsirairay sy ny faharetany avy.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny nandritra izany koa ny fampiofanana vaovao eo amin’ny fakiloten’ny Degmia : master professionnelle en marchés  publics, sy licence professionnelle en gestion portuaire et logistique. Nampiavaka ny lanonana ny fanatrehan’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fakiloten’ny Degmia, toy ny SMMC, Spat, APMF. Nohamafisin’ny sojaben’ny fakiloten’ny Degmia, ny profesora Razanakolona Diny, fa manomboka ny 1 desambra ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra hiditra eo anivon’ny sampam-piofanana roa vaovao voalaza ary hifarana ny 11 desambra izany.

Sajo

Les commentaires sont fermées.