Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Star-Fondation Coca-cola: fanampiana “Coke Hiray vatsy”

Star-Fondation Coca-cola: fanampiana “Coke Hiray vatsy”

Orinasa tompon’andraikitra sady mitsinjo ny maha olona ny Star, miaraka amin’ny fikambanana sosialy Fondation Coca-cola. Anisan’izany ny fitsinjovana ny vahoaka tena sahirana, vokatry ny Covid-19. Natao, ny zoma 20 novambra teo teny Anosizato, ny fizarana fanampiana “Coke Hiray vatsy” ho an’ny fianakaviana sahirana ao amin’ny boriborintany fahefatra, niarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Nahazo ity fanampiana santatra ity ny eny Ankazotoho, Anosimahavelona, Anosibe Andrefana I, Anosibe, Angarangarana, i Mandrangobato I, i Mandrangobato II, Anosizato Andrefana II ary i Madera Namontana. Miisa 1 150 ny vatsy nozaraina, nahitana vary, tavoahangy menaka 1l, savony lava 1, ronono mandry 1 boaty, siramamy 1 kg, voamaina 3 kg ary Coca-cola 150 sl.

Tohin’ny fitsinjovana sosialy sy maha olana (RSE) efa natao hatramin’ny fiandohan’ny taona 2020 ity hetsika ity. Anisan’izany ny fanampiana fitaovana ny minisiteran’ny Fahasalamana niatrehana ny Covid-19. Teo koa ny fizarana rano fisotro ho an’ny vahoaka tratry ny mosary any atsimo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.