Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19

Miisa 31 ny tranga vaovao: tafakatra 251 ireo lavon’ny Covid-19

Miisa 31 ireo nifindran’ny valanaretina teo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 18 novambra teo. Nisy iray namoy ny ainy indray.

Anisan’ny misongadina amin’izany ny any Matsiatra Ambony, ahitana tranga vaovao miisa 13 raha enina ny eto Analamanga. Miisa telo ny any Atsinanana raha iray avy ny any Vatovavy Fitovinany sy any Sava. Roa kosa ireo tranga vaovao any raha dimy ny any Diana. Tany amin’io faritra io koa ny iray lavon’ny Coronavirus. Tafakatra 251 izany izao ireo matin’ny valanaretina eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.

Miisa 433 ireo mbola manaraka fitsaboana

Na izany aza anefa, miisa 65 ireo sitrana ka maro anisa amin’izany ny eto Analamanga, miisa 19, raha 17 ny any Alaotra Mangoro ary 10 kosa ny any Diana.

Tafakatra 16 657 izany izao ireo nahafeno ny fepetra, sitrana sy efa nody amin’izao ho an’ireo mitondra ny tsimokaretina miisa 17 341. Mbola misy 433 kosa anefa ireo manaraka fitsaboana sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa 93 734 ny fitambaran’ny fitiliana vita. Tsiahivina fa miisa 87 ireo tranga vaovao, teo anelanelan’ny 8 sy 13 novambra ary iray kosa lavo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.