Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manahy ny mpitantana sekoly: “Lasa fanararaotana ny fitorohana ny herisetra”

Taorian’ny fanentanan’ny tomponandraikitra ny rehetra tsy hisalasala hitoroka raha mahita endrika fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy, manahy ny fivoaran’ny zava-misy ny mpitantana sekoly tsy miankina sy ny mpanabe. Nisy tranga iray niseho tamin’ny sekoly tsy miankina eny Tanjombato, nilazana fa nisy mpampianatra lehilahy nikitika ny mpianatra ao amin’ny “grande section” telo vavy, 5 taona avy. Herinandro taty aoriana, nametraka “plainte de reserve” eny amin’ny mpitandro filaminana ny ray aman-dreny iray amin’ireo telo voalaza.

Rehefa nanao fanadihadiana anefa ny mpitsabo ao amin’ny sekoly, voalaza fa tsy nisy ny fikitihana natao ireo zaza ireo, araka ny fanazavana azo. Niakatra avy hatrany teny anivon’ny fitsarana ny raharaha ka voatazona eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay mpanabe lehilahy mampianatra ao amin’ny ambaratonga faharoa ao amin’ilay sekoly ny zoma lasa teo. “Attentat à la pudeur et tentative de viol” ny heloka iampangana ity lehilahy ity. Manaitra ny sain’ny tomponandraikitra ny mpitantana sekoly sy ny fikambanan’ny sekoly tsy miankina fa misy manararaotra ny zava-misy amin’izao fotoana izao ka manahy sao hataon’ny olona fitaovana hanimbana fiainan’olona fotsiny.

Nangonin’i Vonjy            

Les commentaires sont fermées.