“Misy sokajin’olona miezaka araka izay azo atao tsy hahavita ny fifidianana loholona. Misy koa sokajin’olona: rehefa tsy vita ny misakana anio, hanao izay hanakorontanana azy. Misy koa rehefa tsy vita ny manakorontana, hanao izay tsy hahamarim-pototra ny valim-pifidianana. Tsy azo ekena izany”, hoy ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Ravalomanana Richard, tany Antsiranana ny faran’ny herinandro teo.
Efa nandray fepetra ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana hampilamina io fifidianana io. Misy ny fepetra raisina mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.
Tsy azo ekena ny fialokalofana amin’ny hoe maha mpitondra fanjakana manao fihetsiketsehana manakorontana io fifidianana io. Tsy azo ekena koa ireo miezaka hanakorontana io fifidianana io amin’ny hoe fananana tombon-jo parlemantera tsy azo samborina na enjehina.
R.Nd.
Les commentaires sont fermées.