Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hita nihosin-dra teo amin’ny arabe: maty voatsatoka antsy ny maître Bary

Nandriaka indray ny ra teny Ankaraobato, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona nihosin-dra tanteraka ny maitre Bary, nivalampatra tamin’ny arabe. Olona sendra nandalo ny nahita azy teo amin’ny rarivaton’Ankadilalampotsy-Ankaraobato. Feno dian’antsy ny faritry ny tendan-dRatompokolahy Bary. “Antony mety ho nitarika ny fahafatesany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa monina eny Antsahasoa, tsy lavitra eny, ralehilahy. Mpitaiza tanora amin’ny fanatanjahantena izy. Anarana ahalalan’ny maro azy ny “maitre Bary”. Malaza amin’ny tanjany izy ary tsy mahatohitra azy raha mbola olona telo aman’efatra manao angaredona aminy. Mety ho tampoka aminy kosa ny fanafihana nahazo azy.

Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminanan nijery ilay namoy ny ainy. Nanatrika izany koa ny mpitsabo ao an-toerana. Misokatra, manaraka izany, koa ny fanadihadiana ny raharaha.

 

Henintsoa Hani

 

Les commentaires sont fermées.