Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hapetraka ny paikady hamongorana ny kere

Hapetraka ny paikady hamongorana ny kere

Manatanteraka fitsidihana any amin’ny faritra atsimo ny Praiminisitra (PM) Ntsay Christian sy ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny governemanta ahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard. Miaraka amin’ireto delegasiona ireto ny solontenan’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana, toa ny Pam. Tanjona amin’izao ny fametrahana tetipanorona matipaika hamongorana tanteraka ny tsy fahampian-tsakafo mianjady matetika amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nisy ny fivoriana notarihin’ny PM tao Ambovombe nandinihana ireo lamina hapetraka hanafoanana ny tsy fahampian-tsakafo. Nandray anjara tamin’izany ireo minisitra rehetra niaraka amin’ny PM any an-toerana. Nilaza ny MDN fa efa miantsehatra efa ho 50 andro any amin’ny faritra Anosy ny Tafika. Efa am-perinasa koa ny ivontoeram-pibaikoan’ny miaramila ao Ambovombe sy ao Amboasary Atsimo ho an’ny faritra Anosy ary ao Tsihombe. Kaominina maherin’ny 70 isa ny iasan’ireo miaramila ireo mifanome tanana amin’ny vahoaka sy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. “Manomboka izao, ny MDN no mitarika ny asa rehetra hiadiana amin’ny kere. Tafiditra ao anatin’izany ny fanisana isaky ny kaominina ahafahana mahafantatra isan’andro ny mombamomba ny mponina sy ny fahasalaman’izy ireo”, hoy ny PM. Napetraka, araka izany, ny “centre de coordination opérationnel regional” ifarimbonan’ireo rantsa-mangaika rehetra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Eo koa ny fananganana ny “centre de coordination” isaky ny kaominina. Nanainga ny zoma teo ireo miaramila 150 hanampy ireo 497 efa am-perinasa any an-toerana hanafainganana ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.