Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandaharanasa Afafi Nord: 50 tapitrisa euros avy amin’ny UE

Fandaharanasa Afafi Nord: 50 tapitrisa euros avy amin’ny UE

Misy ny Fandaharanasa fanohanana ny famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny lalam-pihariana ifotony ho an’ny tapany avaratra (Afafi-Nord). Mamatsy azy vola, mitentina 50 tapitrisa euros, ny Tahirimbola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana andiany faha-11 na  « 11 è Fed ». Voakasik’izany ny faritra telo, manana otrikarena amin’ny fambolena sy ny indostria ary ny fizahantany. Ahitana ny distrika Sambava, Antalaha, i Vohemar, ho an’ny Sava, Ambilobe (Diana) ary Soanierana Ivongo sy i Fenoarivo Atsinanana (Analanjirofo).  Mitotaly 24 ny kaominina amin’ireo voalaza ireo.

Natao sonia ny jolay 2017 ny fifanarahana ary maharitra 6 taona. Notsipihin-dRtoa Rajaobelimanana Onisoa, tompon’andraikitry ny fandaharanasa Afafi-Nord, ao amin’ny Birao tantsoroka ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (BACE), fa tanjon’ny Afafi-Nord ny hisian’ny fampandrosoana maharitra amin’ny sehatry ny fambolena. Hanatrarana izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa. Hofanina ny sampandraharaham-panjakana teknika itsinjaram-pahefana (STD) sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD) ary ny fikambanan’ny tantsaha. Hofanina ara-teknika izy ireo amin’ny lafiny fambolena hanatsarana ny fomba famokarana.

Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF) ny BACE. Miaraka miahy ny fanatanterahana ny asa kosa ny minisiteran’ny Fambolena (Maep) sy ny ao amin’ny Tontolo iainana (MEDD).

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.