Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

BMOI: Banky voalohany eny By Pass

BMOI: Banky voalohany eny By Pass

Notokanana, ny zoma 20 novambra teo, ny masoivoho vaovao an’ny banky BMOI eny amin’ny lalana By Pass. Nanatanteraka izany ny PCA-n’ny BMOI, Andriantsitohaina Lalaina, ny tale jeneralin’ny BMOI, i Alain Merlot, ary ny ben’ny Tanàna Alasora, Randriantsoa Jimmy.

Dingana vaovao tokoa ity vita ity satria banky voalohany misokatra manamorona iny arabe migodana By Pass iny ny BMOI. Porofo mazava fa manakaiky hatrany ny mpanjifa izy. Maro ny asa fihariana eny an-toerana, sady hisokatra tsy ho ela rahateo ny lalam-baovao Rocade Nord-Est mampitohy ny avy eny amin’ny lalam-pirenena RN 3 (Andranobevava), mandalo ny RN 2 (Ambohimahitsy) ary mifandray amin’ny By Pass. Hanamora ny filan’ny mpanjifa eny amin’ny manodidina, sady mampihena betsaka ny fotoana lany.

Ahitana ny fitaovana ilaina amin’ny banky rehetra ity masoivoho vaovao ity. Toy ny fisintonam-bola aotomatika (Gab), ny fitaovana fandrotsaham-bola “Malaky +”, azo ampiasaina tsy tapaka (24 ora/24 sy 7 andro/7).

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.