Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Akon’ny baolina kitra

Akon’ny baolina kitra

Frantsa: Hilalao ao amin’ny Lille i Sedera

Araka ny vaovao, hita tao amin’ny tambanjotran-tserasera, ny zoma lasa teo, hanatevina ny ekipan’ny Losc Lille, “Ligue 1” any Frantsa, i Evan Sedera izay vao 15 taona monja. Zanaka Malagasy i Sedera ary teraka teto Madagasikara, ny 18 mey 2005. Mandritra ny roa taona sy tapany ny hilalaovany ao amin’ny Lille, hifaninana ao amin’ny “Ligue 1”. Azo havaozina izany fifanarahana izany.

Kere any atsimo: nanome sakafo i Metanire

Noho ny fisian’ny kere mahazo ireo mpiray tanindrazana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, nanolotra fanomezana milanja 2 taonina, ahitana sakafo sy fanafody ary rano fisotro, ho azy ireo i Romain Metanire, vodilaharan’ny Barea de Madagascar, milalao any Etazonia. Nialoha ny niaingany ny alarobia 18 novambra lasa teo ny nanolorany izany, amin’ireo tomponandraikitra malagasy.

Côte d’Ivoire: nodimandry ny filohan’ny federasiona

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra any Côte d’Ivoire, amin’izao fotoana izao. Fantatra mantsy fa nindaosin’ny fahafatesana, ny asabotsy 21 novambra lasa teo, i Augustin Sidy Diallo, filohan’ny federasiona ivoarianina (FIF), taorian’ny valanaretina Covid-19 nahazo azy. 61 taona izy izao nodimandry izao. Nandefa taratasy fampiononana ho an’ny fianakaviany sy ny baolina kitra ivoarianina ny federasiona malagasy (FMF).

Nangonin’i Tompondaka

 

 

 

 

Les commentaires sont fermées.