Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niara-nitoRY ny fianakaviana: Ankizivavy enina indray naolan’i Gaëtan

Niara-nitoRY ny fianakaviana:  Ankizivavy enina indray  naolan’i Gaëtan

Tsy misy farany ! Tratra teo am-panolanana ankizivavikely mbola virijiny vao 13 taona ny raim-pianakaviana iray 45 taona, antsoina hoe Gaëtan, ny alakamisy tao Am­bohibary distrikan’i Mora­manga. Nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé ao Ampitabe ity nahavanon-doza ity. Tonga nitoroka sy nitory ihany koa ny fianakaviana hafa tao an-toerana fa hoe manan-janaka dimy efa voaolan’i Gaëtan, talohan’ izao ka misy kambana vao 10 taona, ny zandrin’ireo kam­bana ireo vao 9 taona, ankizikely hafa 8 sy 12 taona. Efa nozahan’ny mpitsabo ireto ankizikely niharan’ny fanolanana ireo ary manaraka fitsaboana na ara-batana izany na ara-tsaina. Fa tratran’ny zandary ao Matsondakana koa ny jiolahy antsoina Sébastien, izay nanolana zazavavikely vao 8 taona monja tao Am­bohitsara Matsondakana distrikan’i Befandriana Avaratra, ny alakamisy teo ihany.

J.C

Les commentaires sont fermées.