
Kila hotohoton’ny afo tsy nisy noraisina intsony ny remorque kaontenera feno entana balle friperie tao Antanimalandy Mahajanga, omaly tolakandro. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa ny afo nijoalajoala no nanaitra ny olona teny amin’ny manodidina. Na teo aza anefa ny fisian’ny afo, niezaka nanala ireo entana azo novonjena tao anatin’ity kaontenera ity ihany ny tompony. Nisy ny avotra, saingy ny ankamaroany kosa kilan’ny afo tsy nisy noraisina intsony.
J.C
Les commentaires sont fermées.