Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatrehana ny fifidianana : hampitombo ny vola ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM

Fiatrehana ny fifidianana  : hampitombo ny vola  ho an’ny eny ifotony ny loholona MMM

Sarotiny amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Niton­dran’ny kandidan’ny antoko Malagasy miara-miainga va­ha­olana avy hatrany ny eny ifotony. “Hampitomboina ny tetibolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana”, hoy ny loha lisitra, Rakoton­drai­ni­be Michel, tamin’ny fanombohana ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana loholona.

Nisantaran’izy ireo iza­ny ny teo anivon’ny distrikan’ Am­bohidratrimo, notanterahina teny Talatamaty, afako­maly.
Fampivoarana ny kaominina rehetra
Naneho ny fahavononany ny kandida fa hanaja ny teny no­mena sy ny tamberin’andraikitra ho fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka sy ireo olom-boafidy. “Tafiditra ao an­a­tin’izany indrindra koa ha­mpivoarana ny kaominina rehetra ato amin’ny faritan’ An­tananarivo”, hoy ihany izy ireo. Nanterin’izy ireo koa ny fisokafany amin’ireo olom-bo­afidy rehetra tsy an-kanavaka, amin’izao fiatrehana ny fi­fi­dianana loholona, hatao ny 11 desambra izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.