Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanabeazana sy kabary: tanora 28 nahavita fiofanana

Fanabeazana sy kabary: tanora 28 nahavita fiofanana

Sarobidy eo amin’ny fiainan’ny olombelona ny fananany ny teny. Mila hay ihany koa anefa ny mifehy azy mba ahafahana mifanerasera sy mampita hafatra tahaka ny fanabeazana.

Tanora mpirotsaka an-tsitrapo avy ao amin’ny fikambanana « Ank’ izy » mahatratra 28 no notoloran’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fim­pima maneran-tany) mari-piofanana kabary, omaly, tao amin’ny efitrano Gisèle Rabe­sahala, Tranombokim-pire­nena Ampefiloha. Fiofanana tselatra maimaim-poana nandritra ny roa herinandro. No­tanterahina tao anatin’ny fanamarihana ny faha-57 taon’ny Fimpima izany.
Kabary samihafa no niofanana mba hahafahan’izy ireo mampita indray ny fahalalana momba ny kabary sy ahaizan’ izy ireo miresaka amin’ireo ankizy hifanerasera aminy any amin’ny « bibliobus ». Mari­hina fa nanolotra boky angano, vakiteny ibeazana, boky fianarana teny malagasy, boky tantara, boky kabary ny Fim­pima. Iray amin’ireo tetikasan’ ny fikambanana « Ank’izy » ny fiaraha-miasa amin’ny « Bi­blio­bus » na ilay fiara famakiam-boky manatona ny ankizy.
Mpianatra avy any amin’ ny ambaratonga ambony ny ankamaroan’ny mpiofana. Misy ihany koa ireo efa am-perinasa.

HaRy Razafindrakoro

Les commentaires sont fermées.