Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boriborintany III : nisitraka hazavana ny fokontany 16

Boriborintany III : nisitraka hazavana  ny fokontany 16

Misitraka ny fampandrosoana amin’ny volan’ ny CLD ireo fokontany miisa 34 etsy amin’ny boriborintany faha III. Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo fokontany miisa 16. Ha­pe­traka amin’ ireo elakela-trano izany. Tanjona ny hampihenana ny asa fanendahana; mahazo vahana amin’ iny faritra iny. “Misy ny CLD 2019, natokana ho an’ ny depiote hitondrana fampandosoana. Laharam-pahamehana ho antsika ny fandriampahalemana. Nahitana vokany izany satria nihena ny tsy filaminana amin’ny faritra sasany efa nanaovana ny tetikasa. Nihai­no ny fitarainan’ny mponina iza­hay ka izao nitondra ny hazavana ho an’ny rehetra izao», hoy ny depiote Anyah. Hitohy amin’ny fanavaozana ireo biraom-pokontany izany mba hanamafisana ny hidin’ ny trano. Eo koa ny fanatsarana ny varavarana, ny vy vaovao sy varavarankely vaovao ho an’ ireo biraom-pokontany miisa sivy. Efa nialohavan’ny fizarana solosaina ho an’ ireo fokontany tsirairay izany, ho an’ny CLD 2018. Nanteriny fa hanaovana tetikasa mifanakaiky hatrany amin’ ny filan’ ny vahoaka izany. “Tsy mitazona ary tsy mitantana io sorabola io izahay fa manolotra ireo tetikasa. Manapaka ny tetikasa tafiditra ao anatin’ io sorabola io kosa ny komity. Tantanana anatin’ny mangarahara izany”, hoy ihany izy. Tsy misy diso anjara amin’ ny asa fampandosoana ireo fo­kontany miisa 34 eny an-toerana.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.