Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimalaza Time Attack 1.0 : fifaninanana ho an’ireo moto matanjaka

Hotanterahina ny alahady 29 novambra tontolo andro “ny Ambohimalaza Time At­tack 1.0”. Fifaninanana natokana ho an’ireo moto matanjaka “grosses cylindrées”. Hisy halavirana 4, 03 km mam­pitohy an’Ambohima­laza sy Imerinkasinina izany hazakazaka izany. Hangotraka ny fihaonana satria anisan’ ireo fifaninanana mekanika andrasan’ny rehetra izy ity. Handray anjara amin’izany avokoa ireo mpanamory moto kalaza ary hisy vehivavy iray hifaninana amin’ity.
Hozaraina ao anaty sokajy fito ireo mpifaninanana amin’ ity « Ambohimalaza Time Attack 1.0” ity dia ny Chop­per, ny Trail, ny Maxiscooter, ny Super motard, ny Roadster, ny sportive ary ny Custom Vintage. Adim-pamantaranandro no hanaovana ny hazakazaka. Hetsika voalohany, iarahan’ny X’Inov sy Bira Moto Club ary ny Moto Club Mada, amin’ny federasiona malagasy ny moto izy ity. Hisokatra aorian’ny fankatoavan’ny fe­derasiona ny fitsipiky ny fifaninanana, ny fisoratana ana­rana ho an’ireo maniry handray anjara.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.