Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Tournoi Est”: hanomboka rahampitso ny fifaninanana

Araka ny efa nampanantenain’ny fikambanana “Espoirs Sportifs de Tuléar”, hisy ny hetsika ara-panatanjahantena karakaraina mialoha ny faran’ny taona. Araka ny tapaka, hanomboka rahampitso 21 novambra io fifaninanana mitondra ny anarana hoe “Tournoi Est”. Sokajy maromaro, hahitana ny Vétéran lahy sy vavy, sokajy latsaky ny 18 taona, 16 taona, 14 taona lahy sy vavy ary ny “Open” lahy sy vavy. Taranja roa dia ny basikety sy ny Hand ball ny hifaninana mandritra izany ka hanasana ireo klioba rehetra maniry ny handray anjara. Araka ny efa notaterina teto hatrany, hetsika fitadiavam-bola hanampiana ny klioban’ny Est hiatrika fifaninanam-pirenena ny kendrena ka misy ny saram-pisoratana anarana. Iray hetsy ariary ny sarany ho an’ny sokajy Vétérans, raha toa ka 3 alina ariary kosa ho an’ny sokajy hafa. Etsy an-kilany anefa, misy kosa ny loka natokana ho an’ny mpandresy amin’ity “Tournoi Est” ity. Ankoatra izao fifaninanana izao, mbola maro ny hetsika karakarain’ny Est mialoha ny faran’ny taona, isan’izany ireo alim-pandihizana miisa roa hatao anio alina sy rahampitso alina ao Toliara.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.