Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

TARATRY NY KANTO

TARATRY NY KANTO

 Nampoina  – No dose by Trano Bongo Tanjombato

Hafampana ny faran’ny herinandro … Hitondra mozika mahafinaritra i Nampoina, anio zoma 20 novambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny No Doze by Trano Bongo Tanjombato. Ao anatin’izany ny hira “acoustique” iarahan’i Nampoina amin’i Harty Andriambelo, izay manana ny mampiavaka azy ihany koa. “Seho maimaim-poana izy ity… Hanafana sy handrotsirotsy antsika eny am-pihinanana sy fisotroana ny tovovavy,” hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny No Dose.

Lion Hill – Karibotel26 Analakely 

Asabotsy mahafinaritra … Mpanakanto manana ny maha izy azy indray ny hanafana ny After work, amin’ny alalan’ny “Show case” etsy amin’ny Karibotel26  Lounge Analakely, i Lion Hill miaraka amin’i Ambassadora -615. Seho hotanterahina rahampitso asabotsy 21 novambra, manomboka amin’ny 12 ora 30 antoandro. Hovelomina ao ireo hira nahafantarana azy  sy ny maro hafa tsy ampoizina . Eo am-pisakafoana ny matsiro, hovazoina amin’izany ny “ Ambila”, “ Hanaraka ano ”…

 

Les commentaires sont fermées.