Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana »

RFC andiany faha-15: hetsika vaovao ny « Cinemalagasy an-kalamanjana »

Mitondra zava-baovao hatrany ny mpikarakara ! Tao anatin’ny taona maro nisiany, tany anaty efitrano no nanatontosana ny ankamaroan’ny fandaharam-potoana tontosaina mandritra ny « Rencontres du film court » na ny RFC. Amin’izao andiany faha-15 izao, niova sy nohatevenina izany. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rozifilms sy ny orinasa Orange Madagascar ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hisy ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ». Niombom-peo ny telo tonta fa ilaina ny fampanatonana ny sarimihetsika ho eny anivon’ny fiarahamonina malagasy. Halefa any anivon’ny boriborintany eto Antananarivo Renivohitra ireo sarimihetsika sasany mandray anjara amin’ity EFC andiany faha-15 ity mba hahafahan’ny Malagasy miaina sy mahafantatra ny dingana efa vita sy ny mbola hatrehin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Goavana rahateo ny lohahevitra nofidin’ny tompon’andraikitra satria mifandraika amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fanabeazana maha olona. Afaka hampitana hafatra haingana sy mahomby ihany koa ny sarimihetsika ka mora raisin’ny olona ny zava-boalaza sy asehony. Ny 21 novambra ao amin’ny EPP Antanimena I sy ny 22 novambra izao, eny amin’ny EPP Manjakaray II B, samy amin’ny 5 ora sy sasany hariva no handefasana ny « Cinemalagasy an-kalamanjana ».

Marihina fa, anio, ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM), etsy Analakely, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva no hanokafana ny fifaninanana sy ny fanentanana ao anatin’ny “Rencontres du films court” andiany faha-15.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.