Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

PMU bet261: miverina ny Quinté +

PMU bet261: miverina ny Quinté +

Nampahafantarina, omaly, ny fiverenan’ny lalao Quinté 261, karakarain’ny PMU Bet. Mampiavaka azy ny lalao hazakazan-tsoavaly amin’ny fahitalavitra, natao ho an’ny Malagasy fa tsy miaraka amin’ny lalao iraisan’ny firenena 40, ahitana ny PMU Bet. Araka ny efa nahafantarana azy, ny fampilaharana ny soavaly dimy tonga voalohany no ahazoana loka amin’ny Quinté 261. Misy ny laharana dimy misesy marina, ao ny laharana dimy tsy milahatra ary ao ny efatra voalohany (bonus 4).

Mitentina 10 tapitrisa Ar farafahakeliny ny loka azo ary vidina 3.000 Ar ny tapakila iray fandraisana anjara. Mitombo hatrany ny lokabe, raha tsy misy mahita ny laharana marina amin’ny fotoana fisarihana.

Tsiahivina fa anisan’ny lalao karakarain’ny PMU Bet koa ny Quinté 261 sy ny Tiercé 261.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.