Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Namono tena sa nisy namono? Teratany frantsay iray hita faty nihantona tamin’ny tady

Hita faty nihantona tao an-tranony, ny talata hariva teo tokony ho tamin’ny 07 ora ny vata-mangatsiakana teratany frantsay iray. Monina ao amin’ny fokontany Bazarikely, renivohitr’i Antsiranana izy io. Rehefa naharay antso mikasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana, nidina teny an-toerana nanamarina izany. Mbola tratran’ireo polisy avy ao amin’ny « Section de recherche criminelle » nihantona tamin’ny tady ny nofo-mangatsiakan’io teratany vahiny 58 taona io tamin’ny fotoana nahatongavany teny. Nanatrika izany koa ny mpitsabo ao an-toerana, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.

Fantatra ny mombamomba ilay namoy ny ainy. Rehefa vita ny fanadihadiana, natolotra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny «concile de France» izany. Misokatra ihany koa ny famotorana ny raharaha.

Nanazava momba ny fiarovana ny ain’ireo teratany frantsay monina ao Antsiranana kosa ny kolonely, kaomandin’ny CIRGN ao an-toerana, omaly. Fihaonana natao tao amin’ny « concile de France » ao Antsiranana.

 

Henintsoa Hani

 

 

Les commentaires sont fermées.