Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana

MCC – Cnemd: tanora 163 notolorana mari-pankasitrahana

Miezaka mitondra sy manome vitrika ho an’ireo manan-talenta amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto ny minisitera misahana izany. Iray amin’ireny ny fanolorana mari-pankasitrahana.

Ho fankaherezana amin’ny tontolon’ny zavakanto…. Notoloran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina mari-pankasitrahana ireo tanora 163, izay mpianatra avy ao amin’ny ivontoeram-panofanana momba ny dihy sy ny mozika Cnemd, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Vokatry ny fandraisan’anjara tamin’ny seho ara-javakanto natao tamin’ny fanokanana ny Lapa Manjakamiadana sy ny Lapa Besakana, ny 6 novambra 2020 teo izany. Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ny mari-pankasitrahana teny an-toerana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, i Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany tamin’izany fa vonona hatrany ny minisitera hanohana ireo tanora manan-talenta mba ho tena hanana ny maha izy azy. Nandritra ny lahateniny, nitondra ny fiarahabana sy ny fisaorana avy amin’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina mivady ny tenany ho an’ireo tanora naneho zavakanto mahafinaritra. Marihina fa rafitra iray eo anivon’ny minisitera ny Cnemd. Vao tsy ela akory izay no vita ny fanamboarana ity ivontoerana ity raha simba tanteraka izany teo aloha. Efa manomboka maha velombolo, araka izany, ny ho avin’ny tanora sy ny zavakanto atsy ho atsy satria efa nahavita dingana sahady ny mpianatra na dia 50 ora aza no nanaovana ny fanomanana ny seho. Anisan’ireo tao amin’izany ivontoerana izany, tamin’ity taona 2020 ity, « Zaza kanto », raha ny nambaran’ny talen’ny Cnemd, i Holy Razafindrazaka.

Narilala

 

Les commentaires sont fermées.