Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Fiaferana: nankasitrahana ireo mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana

Kaominina Fiaferana: nankasitrahana ireo mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana

Tsy nijery fotsiny ireo mpianatra mendrika tamin’ny fanadinam-panjakana teo ny ben’ny Tanànan’i Fiaferana. Notolorana mari-pankasitrahana izy ireo, omaly.

Nankasitraka ny mpianatra mendrika nitana ny laharana telo voalohany nandritra ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ary bakalorea ny ben’ny Tanànan’i Fiaferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano, Andrianaho Ratovelomanana, omaly, teny amin’ny biraon’ny kaominina. Ireo mpiadina telo nisongadina tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC ary ny mpiadina iray nahazo Mention assez bien tamin’ny bakalorea no nahazo fankasitrahana sy medaly ary lelavola ho fisaorana azy ireo. « Fampirisihina ny mpianatra hanao ny tsara hatrany sy hiezaka amin’ny fianarana no tanjona. Hetsika sambany nisy nanao ny fankasitrahana toy izao », hoy ny ben’ny Tanàna. Mbola hidinika ny fanampiana ireo mpianatra sangany ireo amin’ny fanohizana fianarana ny mpitantana ny kaominina, araka ny fanazavany. 10 tamin’ny mpianatra 14 avy ao amin’ny lycée no nahazo ny mari-pahaizana bakalorea ho an’ny kaominina. Notolorana medaly koa izy rehetra afaka soa aman-tsara ireo. Nankasitrahana koa ny sekoly efatra nanana taham-pahafahana 100% tamin’ny CEPE farany teo. 16 ny isan’ny sekoly ambaratonga voalohany ao anatin’ny kaominina, telo ny ambaratonga faharoa ary roa ny lycée mandray ny mpianatra rehetra. Niantoka ny sakafon’ny mpiadina tamin’ny fanadinana CEPE ny kaominina ho fanampiana ireo ray aman-dreny.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.