Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Tsy manana finiavana hidinika amin’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana ny mpitantana ny minisitera mpiahy, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny paramédicaux, Ralibera Jerisoa, omaly. Maro ny olana sedrain’ny mpiasa ilana fifanakalozana amin’ny mpitantana hitadiavana vahaolana ary anisany ny indemnité de réquisition, nandritra ny fiatrehana ny valanaretina Coronavirus teo iny. Manoloana izany, miantso ny mpikambana rehetra any amin’ny faritra hanatrika ny fihaonam-be eto Antananarivo, ny 11 desambra ho avy izao ny mpitantana ny sendikàn’ny paramédicaux. Hodinihina mandritra ny fivoriana ny olana mianjady amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny tohin’ny fitakiana samihafa efa nampahafantarina ny mpitantana. Eo koa ireo zo tsy nisitrahan’ny mpiasa. Mahatsapa izy ireo fa tsy mirindra ny fitantanana ny mpiasa amin’ny famindran-toerana hiasana sy ny fandraisana mpiasa vaovao.

Les commentaires sont fermées.