Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Ity ny tavy, ity ny kary

Fiarovana ny fiaraha-monina sy ny mponina, tsy maintsy mampiasa hery ny fanjakana ho setrin’ny baranahana ataon’ny olona sasantsasany izay tsy ampy fitandremana eo amin’ny fanajana ny fepetra fanohanana ny fihenak’ity valanaretina izay mampihorohoro ny rehetra. Arak’izany miaramila 500 avy ao amin’ny Tafika no nampidinina an-tsehatra hanatevin-daharana ireo mpitandro filaminana anjatony koa izay efa manara-maso ny fanarahan’ny mponina an’ireo fepetra. Efa mananika ny fenitra « arivo lahy » ny isan’ny vatan’olona nomena andraikitra amin’ny fitsinjovana ny fiambenana ny fiaraha-monina, midika izany fa efa miisa aman’arivony koa ireo olona, izay na tsy afaka ho lazaina hoe minia mihoa-pefy nefa tazana tsy mahavita mitandrin-tena ka manao tsirambina.Dia lasa toy ny hoe manome vahana ilay fahavalo tsy taza-maso nefa fantatra fa misoko mangina rehefa mivoaka ireo antotan’isan’ny voka-dratsy naterany. Resy lahatra avokoa moa ny mponina fa mitera-doza ny tsy fanajana ireo fepetra rehetra fiarovan-tena sady setrin’ny tsy fiparitahan’ilay otrik’aretina coronavirus mitarika ny aretina covid 19 hany ka resy lahatra momba ny fanenjanana eo amin’ny fampanatanterahana an’ireo fepetra. Asa izay tena antony fa tsapa tamin’ny farany teo rehefa samy mihiboka any an-tranony ny rehetra izay indray vao mirongatra ny jiolahy amin’ny fanaovana asa-ratsy. Azo heverina anefa fa mandrimandry kokoa ny fahalemana rehefa mitombo an’isa ireo mpiambina ny filaminana, ka tsy ho variana amin’ny fanakanana an’ireo mpandika fepetra, izany hoe ny olona tsy manana alàlana hivoaka ivelan’ny fotoana voatondro, na ireo tsy manao fiarovan-tava sy orona, na ny mpivorivory be an’isa mihoatra izay tokony ho izy, fa sady vonona hanakana sy hanenjika an’ireo mihaodihaody mikasa hanao na efa manatanteraka asa-jiolahy. Fantatra moa fa ny arivo lahy tsy hahenika ny tampon-tanana manontolo sy ny lalan-kely na koloara amin’arivony manerana an’Iarivo. Noho izany sy noho ny fihibohan’ny mponina, toy ny tanàna haolo Antananarivo isan’andro manomboka amin’ny 12 atoandro mandra-parainan’ny andro amin’ny 6. Ny fahanginan’ny arabe sy ny elakelan-trano anefa toa mikitikitika ny sain-dratsy ka maniraka ny tontakely isan-karazany hanao an’izao tsy fanao rehetra izao, hany fomba fitandremany eo amin’ny fanatanterahany an’izany dia ny fanaovana fangala-piery amin’ireo herim-panjakana miadidy ny filaminana sy ny fiarovana. Samy manefa hetsika mandoza moa na ireo izay tsy manaja ny fepetra natao fanoherana ny coronavirus na ny mpanao asan-jiolahy, na izany aza ireo voalaza teo aloha tsy olon-dratsy avokoa toy ireto tontakely sy dahalo voatonona aty afara.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.