Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hatao any Toamasina ny “Judo Tour” andiany fahatelo

Hatao any Toamasina ny “Judo Tour” andiany fahatelo

Hetsika iray hanamarihana ity taom-pikatrohana 2020 ity no sady tsy hahataona fotsy izany, ny andiany fahatelo amin’ny “Judo Tour”, karakarain’ny klioba Atrika, ligin’Atsinanana, taranja Judo. Ny 26 hatramin’ny 30 novambra izao ny hanatanterahana izany any Toamasina. Araka ny fanazavan’ny mpitantana ny klioba, Raoelison Annie, misokatra ho an’ny ligy rehetra manerana ny Nosy ity hetsika ity ary natokana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona. Araka ny fandaharam-potoana, karazana “Camp d’entrainement” sy fanabeazana ny resaka tontolo iainana ny hatao mandritra io fotoana io. Teknisiana malagasy manana ny maha izy azy ny hitarika, ireo ankizy, mandritra izany, hahitana an-dRasoanaivo Razafy Luc, i Elie Norbert ary Ralevazaha Emy.

Afaka misoratra anarana eny anivon’ny ligy misy azy avy ireo mpikatroka, raha ny fanazavana ary efa nanomboka izay fisoratana anarana izay. Tsiahivina, isan’ny tetikasan’ny klioba hatramin’izay ity hetsika iray ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.