
Namory ireo mpanolotsaina sy ben’ny Tanàna ho an’i Toamasina I sy II ny lisitra kandidàn’ny IRD, notarihin’ny kandida, Manantsoa Donna Tang, laharana fahatelo eo amin’ny biletà tokana. “Efa hiarahantsika mahita ny ezaka fampandrosoana ataon’ny filoham-pirenena eto Toamasina. Nametraka ny vato fehizoron’ny tetikasa “Miami” sy ny fanamboran-dalana moron-dranomasina “Boulevard, Ratsimilaho, izy. Notokanana koa ny fotodrafitasa maro”, hoy izy ireo. Naneho fahavonana ny hanohy sy hitondra ny hetahetan’ ny isaky ny kaominina ireto kandidà ireto mba tsy hisy intsony ny ho tara. Tsiahivina fa telo ny lisitra hifaninana ato amin’ny faritanin’ i Toamasina. Voalohany eo amin’ny bileta tokana ny MMM. Faharoa ny Vondron’ny mpampianatra mpikaroka etsy amin’ny oniversiten’ i Barikadimy ary fahatelo ny IRD.
Sajo
Les commentaires sont fermées.