Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany: manampy amin’ny angovo sy ny fotodrafitsara ny Saodianina

Noraisin’ny Praiminisistra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly,   ny delegasiona avy any Arabie Saodita. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny miandraikitra  an’i Afrika, i Ahmad Bin Abdulaziz Kattan. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.

Nodinihina tamin’izany fa haorina tsy ho ela eto amintsika ny foiben-toerana masoivohon’ity firenena ity ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny roa tonta. Nanamarika ny minisitra saodianina fa efa ela ny fiaraha-miasa teo amin’ny Malagasy sy ny Saodianina. Nisandrahaka amin’ny sehatra maro izany. Eo ny fifanakalozana ara-barotra, ny tetikasa samihafa momba ny angovo sy ny fotodrafitrasa ary ny fanamboaran-dalana. Manampy ireo ny fanampiana mitentina 370 tapitrisa dolara eo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Ady amin’ny covid-19

Ny famatsiam-bola 500 000 dolara ho an’ny ady tamin’ny covid-19.

Nambaran’ny minisitra Ahmad Bin Abdulaziz Kattan koa ny toerana misy an’i Arabie Saoudite sy ny fifandraisany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty amin’ny faritr’i Afrika. Nohazavainy ny ezaka ataon’ny fireneny mba tsy hisian’ny fitotongananan’ny vidin’ny solika maneran-tany.

Nankasitraka izany sady nampita ny fiarahabana ho an’ny mpanjaka Saodianina ny praiminisitra, ary naneho ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hisokatra mandrakariva amin’ny lalana hahafahana mampivelatra sy manatsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.