
Niainga tamin’ny fampahafantaran’ny mpanara-maso ny fitantanambola (DGCF) ny fanadihadian’ny Bianco ny raharaha. Niafara amin’ny fampidirina am-ponja olona miisa fito noho fanahiana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana tamin’ny tsenam-baro-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina izany.
Miisa 15 be izao ireo niakatra tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha, omaly. Raharaha tamin’ny taona 2018 izao noraisin’ny Bianco, sampana Antananarivo, an-tanana, izao, tamin’ny alalan’ny DGCF, nanomboka ny 1 septambra teo.
Hosoka sy fanaovana hosoka
Niainga tamin’ny tatitra vola azon’ny eny Ambohibao izany. Fantatra fa ahina ny nisian’ny hosoka sy ny fanaovana hosoka. Fanodinkodinam-bolam-panjakana sy tolotra na fanomezana tsy mazava sy fanadiovam-bola « cadeaux illicites et blanchiment de capitaux »…
Tale sy tompon’andraikitra ambony samihafa
Anisan’ny ahina ho tsy afa-bela amin’izany fa voarohirohy amin’izao raharaha izao ny tale misahana ny vola eo anivon’ity minisitera ity tamin’ny fotoan’androny. Eo koa ireo mpitantana ny kaontimbola miisa roa « dépositaires comptables » sy ny tompon’andraikitra roa misahana ny tsenam-baro-panjakana, mpitantana iray « gestionnaire d’activités » ary ireo mpamatsy entana maromaro.
Miandry ny ho tohin’ny fanadihadiana
Nilatsaka ny didy teo anivon’ny Pac ka fito ireo nampidirina vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny 17 novambra teo. Ny valo kosa, nahazo fahafahana vonjimaika ary mbola miandry ny mety ho tohin’ny fanadihadiana sy ny famotorana izy ireo.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.